Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifidianana KOM: federasiona 5 tsy tonga nandatsa-bato

Fifidianana KOM: federasiona 5 tsy tonga nandatsa-bato

Federasiona miisa 5 tamin’ireo 29 tokony ho nandatsa-bato no tsy tonga nanatrika ny fivoriambe nifidianana, ny komity olympika malagasy (Kom), notontosaina teto Toliara, omaly, talata 22 janoary dia  ny baolina kitra, ny tsipy kanetibe, ny “équestre” ny “paralympique” ary ny Lutte. Nohazavaina fa tsy afaka niatrika ny fivoriambe sy nandatsa-bato, ny “Comité de normalisation” eo amin’ny taranja baolina kitra, satria tsy voalaza ao anatin’ny lalàna izany. Ankoatra izay, tsy nisy fanazavana ny anton’ny tsy nifidianan’ireo taranja efatra hafa. Araka ny loharanom-baovao, efa nandefa taratasy fialantsiny avokoa izy ireo, nialoha ity fivoriamben’ny Kom, ity.

Ho an’ny taranja atletisma manokana, izay nosazin’ny Kom, noho ny tsy fanajana ny komity mpitantana teo anivon’ity komity olympika malagasy ity, ka tsy namelana azy ireo hanatrika ny fifidianana ny filohan’ny federasiona malagasin’ny atletisma, ny taona 2014, dia efa nesorina taminy izany ka afaka nanatrika ny fivoriana sy nandatsa-bato, izy ireo, taorian’ny tatitra nataon’ny teo anivon’ny Kom, omaly.

Nomarihin’ny filohan’ny Kom, Randrianasoloniaiko Siteny fa nisy fiantraikany lehibe tamin’ny atleta malagasy iny sazy nahazo ny mpitantana ny FMA iny.

 

Mi.Raz (Iraka manokana Toliara)

 

Les commentaires sont fermées.