Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fabtina sy fintina

Nametraka fepetra ho an’ny tokony hotendrena minisitra ny mpiasan’ny minisiteran’ny Vola. Nambaran’izy ireo  fa ho arofanina ho amin’ny fanatsarana ny asa ao amin’io departemanta io ny nametrahana ny masontsivana amin’ny ho tompon’andraikitra isan’ambaratongany eo anivon’io minisitera io. Tsy maintsy efa mpiasa tao amin’ny minisitera ny ho mpitantana.  Homen-danja koa anefa ny tanora satria maro ny manampahaizana amin’izy ireny. Mba ho olon’ny mangaraharaha  ary madio tanana ny ho mpitantana ny minsitera.

Nanao antso avo amin’ny filoha Rajoelina hijery ny fanabeazana ny fikambanan’ny mpianatra  “Normaliens Sonose/Mada.  “Tokony hazava ny anjara toeran’ireo mpianatra nahavita fianarana eny amin’ny ivon-toeram-pampianarana. Tokony ho jerena koa ny sehatry ny fanabeazana  ho olom-pirenena  satria kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny fanabeazana”, hoy izy ireo, ny herinandro lasa teo, raha nivory.  Tokony hojerena koa ny tombontsoan’ny mpianatra  sy mpampianatra tsy hiverenan’ny fitokonana intsony.

 

 

Les commentaires sont fermées.