Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Diplaoma amin’ny asa sy ny traikefa: ny IST Antananarivo irery no afaka manome ny VAE

Diplaoma amin’ny asa sy ny traikefa: ny IST Antananarivo irery no afaka manome ny VAE

Misokatra ny fisoratana anarana handraisana ireo olona maniry ny hahazo mari-pahaizana amin’ny alalan’ny asa sy ny traikefa (VAE) omen’ny Institut supérieur de technologie (IST) Antananarivo, andiany faharoa ho an’ny lalam-piofanana génie civil. Nomarihin’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, tamin’ny alalan’ny talen’ny fankatoavana sy ny fikajiana ny kalitao, Randrianarison Emmanuel, omaly teny Ampasampito fa ny IST Antananarivo irery aloha hatreto no afaka manome ny VAE amin’ny lalam-piofanana misy ao aminy eto Madagasikara satria izy no nahazo ny accréditation noho ny fanatanterahany ny fandaharanasa mametraka ny kalitao amin’ny fampianarana, nanomboka ny taona 2017. Natokana ho an’ny olona manana ny mari-pahaizana bakalorea (C-D sy teknika) sy manana traikefa 10 taona ho an’ny taotrano sy ny asa vaventy (génie civil) ny VAE omen’ny IST Antananarivo, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny IST, profesora Rakotomalala  Jean  Lalaina. Ao anatin’ny fanomanana ny antontan-taratasy fangatahana ny VAE, misy olona roa mpampianatra avy ao amin’ny IST sy olona mahafehy ilay lalam-piofanana amin’ny sehatry ny asa avy hatrany, manara-maso ilay mpiadina. Rehefa vita ny antontan-taratasy rehetra takina, miroso amin’ny fanohanana izany manoloana ny mpitsara ny tenany. Mahazo ny diplôme de technicien supérieur (DTS) en génie civil izy aorian’izay raha tafita amin’ny fitsarana.

Tamin’ny andiany voalohany, 20 ireo nahavita ny antontan-taratasy sy niatrika ny mpitsara. Ho an’ny andiany faharoa, 15 ihany no horaisina. Hiitatra amin’ny lalam-piofanana  genie indistriel et maintenance, Finance et comptabilité, Marketing et commerce ny fanomezana ny VAE ho an’ny IST Antananarivo. Misy ny comité technique de pilotage manara-maso ny fizotry ny asa rehetra miaraka amin’ny minisitera mpiray ombon’antoka sy ny sehatry ny mpandraharaha malagasy. Ho an’ny olona tsy nandalo sekoly nefa manana ny fahaiza-manao ny VAE.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.