Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Atsimo Andrefana: nanomboka ny fambolen-kazo

Atsimo Andrefana: nanomboka ny fambolen-kazo

Nosokafana ny zoma 18 janoary teo, ny fotoana fambolen-kazo 2019 tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana tany Andranovory. Nahatratra 10.000 ny zana-kazo nambolena, nahitana acacia, kininina, karabo, miampy zana-kazo fihinamboa miisa 700, nomena ny fokonolona any an-toerana.

Saika nandray anjara tamin’ity fambolen-kazo ity avokoa ny mpisehatra amin’ny tontolo iainana any Atsimo Andrefana. Anisan’izany ny fikambanana miaro ny tontolo iainana, ny WWF, ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF) samihafa, ny miaramila, ny zandary, ny fiarahamonim-pirenena, sns.

Misy ny fanaraha-maso ny hazo novolena, afaka volana vitsivitsy. Voalaza fa naniry tsara avokoa ny 75%-n’izy ireo raha jerena ny tato anatin’ny telo taona farany, tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Nanome toky ireo mpisehatra rehetra fa samy hanohy ny fambolen-kazony avy izy ireo aorian’ity fanokafana ity.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.