Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vonona Tsiriniaina: hivoaka  ny boky « Sotasotam-pandalovana »

Vonona Tsiriniaina: hivoaka  ny boky « Sotasotam-pandalovana »

 Eo am-piketrehana ny mpanoratra ! Raha ny vina napetrak’i Vonona Tsiriniaina, amin’ny 21 febroary izao no hahita masoandro voalohany ilay boky mirakitra ny sanganasany nampitondrainy ny lohateny « Sotasotam-pandalovana ». Tantara foronina maneho ny vokatry ny fitiavana aloha loatra. Raha ny fanazavan’i Vonona Tsiriniaina, natao indrindra ho an’ny tanora ny votoatiny. Fantatra fa anisan’ireo tantara nandray anjara tamin’ny fifaninanana nampanaovin’ny Synael nandritra ny fivoriana an-tampony faha-16-n’ny Frankofonia, notontosaina teto Madagasikara, ny « Sotasotam-pandalovana ». Efa nivoaka ihany koa tamina gazety miseho isan’andro eto an-toerana, nanomboka ny volana mey 2018.

Tsiahivina fa efa namoaka ny boky « Felan’ny Fanja » i Vonona Tsiriniaina. Mirakitra amboara tononkalo izy ity. « Eo am-pieritreretana ny hanonta azy fanindroany aho ankehitriny », hoy izy.

Marihina fa mpanoratra sy poeta ary mpikabary i Niriantsoa Vonona Tsiriniaina. Mpikambana ao amin’ny Havatsa-Upem sy ny Fimpima rahateo izy.

HaRy Razafindrakoto

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique