Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vinan’ny filoha Rajoelina: haorina ny tanàna “Tanamasoandro”

Vinan’ny filoha Rajoelina: haorina ny tanàna “Tanamasoandro”

Tsy niandry ela ! Natsidiky ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny fotoana nanaovana ny fotoan-dehibe nanaovany ny fianianany tetsy Mahamasina, ny asabotsy teo, ny fanatanterahany ny vinanasany, ao anatin’ny IEM. Anisan’izany ny fanombohana ny fanorenana ny tanàna vaovao « Tanamasoandro ». Nasiany teny koa fa hampitomboana avo roa heny ny angovo herinaratra vokarina eto Madagasikara, sady amidy mora ho zakan’ny  mpanjifa.

Hanendry governora

Eo koa ny fananganana fotodrafitrasa, indrindra ny fanamboaran-dalana efa andrasan’ny rehetra. Homena fitaovana manokana ny governora, tompon’andraikitra vaovao, hitantana isaky ny faritra 23 fa tsy 22 intsony, hanatanterahana izany asa rehetra izany. Manampy ireo, efa an-dalana, eny an-dranomasina, ny sambo hitondra ny vary amidy mora ho an’ny Malagasy.

Eo amin’ny fitantanana ny firenena ankapobeny, hentitra ny nilazan’ny filoha Rajoelina Andry fa tsy azo ekena intsony ny fanodinkodinam-bolam-panjakana. Hisy fepetra henjana hiadiana amin’ny kolikoly.

Midika ireo santionany nolazain’ny filoha Rajoelina ireo fa hanomboka avy hatrany ny asa voafaritra ao anatin’ny vina IEM nampahalalainy ny Malagasy nandritra ny fampielezan-keviny. Andrasana ny vokatra, indrindra ny fomba fiasan’ny mpiara-miasa hahatanterahan’izany araka ny tokony ho izy.

Haorina amin’ny velaran-tany 1 000 ha ny tanàna “Tanamasoandro” eny Atsimondranon’Antananarivo. Hanana sata mifehy azy manokana ity tanàna vaovao ity. Hisy arabe migodana mirefy 3,6 km mampitohy aminy amin’ny Renivohitra. Miainga eny amin’ny vahilava ary mihantona toy ny tetezana. Ahitana ireo biraom-panjakana maro (50 ha), toy ny primatiora, ny Antenimierampirenena, ny minisitera samihafa, sns.

Hisy trano lehibe afaka mandray fivoriambe iraisam-pirenena sy handraisana vahiny (15 ha), hopitaly (12 ha), hotely lehibe iraisam-pirenena, tranombarotra lehibe, akademia ho an’ny fanatanjahantena (9 ha).

Haorina amin’ny velaran-tany 200 ha ny trano fonenana, ho an’ny olona 100 000. Natokana ho an’ny fianakaviana antonony sy ny sahirana ny 150 ha amin’izany.

 

Njaka Andriantefiarinesy

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique