Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Paositra Malagasy – Toamasina: tontosa ny famindram-pahefana

Paositra Malagasy – Toamasina: tontosa ny famindram-pahefana

Natao, ny 15 janoary teo, ny famindram-pahefana teo amin’ny talem-paritra vaovao hitantana ny Paositra Malagasy eto Toamasina (Atsinanana sy Analanjirofo), i Fanilo, mandimby an-dRaharihajanarivo Benjaniaina Zo NB. Ho an’ity farany, afa-po ny tenany nandritra izay telo taona nitanany ity andraikitra ity ary manaiky hatrany ny fanapahan-kevitry ny lehibeny.

Nanamafy ny mpiasa fa aoka hohatsarain’ny talem-paritra vaovao, i Fanilo, ny zava-bitan’ny teo aloha, indrindra ny fampiakarana ny lanjan’ity sampandraharaha ity.

Ho an’ny talem-paritra vaovao, efa mpiasan’ny Paositra Malagasy nandritra ny sivy taona izy. Nilaza ny tale jeneralin’ny Paositra Malagasy, Ranarison Richard, fa fanamby ny mivoatra sy mandroso manaraka ny teknolojia maoderina, toy ny fifanakalozam-bola ao anatin’ny fotoana fohy.

Sajo sy Njaka A.

Les commentaires sont fermées.