Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Miantso ny filoha hampihavana ny FFKM

Miantso ny filoha hampihavana ny FFKM

 “Sambatra ny firenena manana an’i Jehovah ho Andriamanitra… Miangavy ny filoham-pirenena izahay hanao ho vaindohan-draharaha ny fampihavanam-pirenena. Vita ny fifidianana na marobe aza ny tsy fahalavorariana nitondra disadisa sy lonilony ny mpiray tanindrazana”, hoy ny hafatry ny FFKM tamin’ny famindram-pitarihana teo amin’ny filoha teo aloha, avy amin’ny anglikanina, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, sy ny filoha vaovao, ny filohan’ny FJKM, ny pasitera Andriamahazosoa Irako Ammi. Nentina am-bavaka  teny amin’ny Ekar Andohalo izany, omaly. Notsindrin’izy ireo ny tokony hijerena ny sosialim-bahoaka amin’izao fotoana izao. Ny tokony hiovan’ny toe-tsaina sy ny fomba fanao na eo aza ny tokony hanorenana fotodrafitrasa maro. “Tsy ilaina ny olona tia vola mamadika ny marina… Tsara ny fandaharanasa, saingy ilaina ny miara-miasa amin’Andriamanitra”, hoy ihany izy ireo. Nanterin’ny fiangonana fa mijoro ho andry ho amin’ny fahamarinana ny FFKM ary manandratra izany fahamarinana izany. Tsiahivina fa anisan’ny nanatrika izany ny Praiminisitra Ntsay Christian. Teo koa ny filohan’ny CFM, i Maka Alphonse, ary ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc mivady.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.