Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mampandeha raharaha sisa ny governemanta: hanendry tsy ho ela ny PM ny filoha Rajoelina

Nankatoavin’ny filoha Rajoelina, ny asabotsy teo, ny fametraham-pialana nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny fametraham-pialana faobe nataon’ny mpikamban’ny governemanta, taorian’ny fianianana teny Mahamasina. Namaky izany teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraly, ny Jly Ralala Roger. Nandray didim-panjakana avy hatrany taorian’izany ny filoham-pirenena ka namoaka ny tokony hanohizan’ny governemanta am-perinasa ny asany aloha, mandra-pitsangan’ny governemanta vaovao :  “Fampandehanan-draharaha”. Raha tsy misy ny fiovana, mety hotendren’ny filoha amin’ity herinandro ity ny ho praiminisitra lehiben’ny governemanta. Mandeha ny feo fa mety ho amin’ny alarobia ho avy  izao izany. Tombanana hivoaka amin’ny asabotsy kosa ny fanendrena ireo ho mpikambana eo anivon’ny governemanta.

Synèse R

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique