Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahamasina: raitra sy nirindra ny hetsika 

Tsy fahita firy. Niova teo amin’ny « tribune centrale » fa tsy teny amin’ny Vatomasina  tahaka ny nahazatra ireo mpitondra teo aloha ny nanaovana ny lanonam-pitsarana  nokarakarain’ny HCC, nametrahana ny filoha Rajoelina sy nanaovana ny fianianana. Niravaka tanteraka ny sainam-pirenena izany. Vao mainka nanome endrika ny tetsy Mahamasina ny nizarana elo maneho ny lokon’ny sainam-pirenena, ankoatra ny saina kely ho an’ireo nasaina rehetra. Feno hipoka ny « gradin » ankoatra ny teo afovoany nahitana ireo mpianatra nanao fihetsika mirindra sy mitabe maneho an-tsary sy an-tsoratra momba iny fianianana iny. Nametrahana olona koa ny teo amin’ny kianjabe. Nahitana  « ecran géant » lehibe miisa dimy ny teo Mahamasina, nahafahan’ireo vahoaka mahita ny fizotry ny lanonana rehetra. Nilamina sy voarindra ny momba ny arofentitra rehetra. Hentitra ny fitandroana ny filaminana na tao anatiny na ivelany, hatreny ambonin’ireo « Tribune » rehetra teny, nahitana azy ireo avokoa. Nisy ny sidina matetika  nataon’ny angidimby ho fiarovana sy ny fiahiana filaminana teo ambonin’i Mahamasina sy ny manodidina.  Teo koa ireo mpitandro filamina na teny rehetra teny.

Fiara avo lenta sy raitra… 

Nosavaina ireo rehetra niditra ny kianja. Nigadona ny filoha Rajoelina tamin’ny 10 ora sy 15 mn nentin’ny fiara raitra sy avo lenta, mitovy amin’ny fiaran’ny filoha amerikanina, i Donald Trump. Noraisin’ny rehetra tamin’ny tehaka sy hirakora-pifaliana izany. Narahin’ireo mpikamban’ny HCC avy eo izany nihazo ny « tribune » hanaovana ny fianianana. Nidodoka in-12 ny tafondro taorian’ny lanonam-pitsarana. Nidina nisafo ny andian-tafika ny filoha Rajoelina avy eo amin’ny maha filoha farantampon’ny Foloalindahy azy. Nisy ny matso taorian’izany ary nampisehoana ireo fiara 4×4 avo lenta sy raitra ho an’ny mpitandro filaminana hiadiana amin’ny dahalo. Nanamarika ny  tetsy Mahamasina ny tehaka sy fihobiana ireo filoha telo teo aloha, isaky ny miseho eo amin’ny « écran géant » ny sarin’izy ireo. Nitohy tamin’ny fiaraha-misakafo teny Iavoloha izany avy eo. Tsy nisy kosa ny afomanga noho ny orana noho ny orana nikija teto an-dRenivohitra.

Randria   

 

 

Les commentaires sont fermées.