Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra: hanazatra ny FC Fleury i Nicolas Dupuis

Kitra: hanazatra ny FC Fleury i Nicolas Dupuis

Nanaitra ny mpanara-baovao, indrindra fa ny mpitia baolina kitra malagasy, ny faran’ny herinandro teo, ny nahita tao anatin’ny tranokalam-pifandraisan’ny klioba FC Fleury, nivoaka ny asabotsy lasa teo, nilaza fa nantsoin’ny klioban’ny FC Fleury 91 Coeur d’Essonne, hanazatra ity ekipa ao amin’ny National 2 any Frantsa ity, i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar.

Na izany aza, tsy nisy filazana fa tsy hitondra ny ekipam-pirenena malagasy intsony ny tenany fa mbola hiaraka amin’ny Barea de Madagascar hatrany, indrindra fa eo amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, hotanterahina any Egypta, ny volana jona ho avy izao.

Raha tsiahivina, anisan’ny nampisongadina an’i Nicolas Dupuis ny nahatafitany an’i Madagasikara, voalohany eo amin’ny tantarany, hiatrika ny “Can”. Teo koa ireo vokatra maro samihafa tany Frantsa, toy ny naha tompondaka ny AS Yzeure, ny taona 1997 – 2006.

 

Tompondaka

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique