Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

 Filohan’ny FJKM: « Tsy ifankahalana ny politika »

 Filohan’ny FJKM: « Tsy ifankahalana ny politika »

Nafonja ireo hafatra dimy avy amin’ny filohan’ny FJKM, ny pasitera Andriamahazosoa Irako Ammi, omaly tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. “Aza avela hitondra ho amin’ny fifankahalana ny resaka politika. Aza entina aty amin’ny tranon’Andriamanitra ny loko politika”, hoy ny hafatra fahadimy, napetrany. Nentina am-bavaka ny taom-piasan’ny FJKM sy ny filohan’ny FJKM io natao io ka nanafatrafarany ireo mpino. Notsiahiviny ny lafiny politika ka nilazany ny tokony hijoroana hatrany ho vavolombelona. “Misaora ny zavatra rehetra fa sitrapon’Andriamanitra izao… Misaora amin’ny nahafaly anao ary misaora na nandiso fanantenana aza”, hoy izy. Niantso ireo nania koa ny tenany mba hibebaka  sy hiverina amin’Andriamanitra sy ny fahamarinana. “Manandratra ny firenena ny fahamarinana. Aza atakalo vola, fahefana ary voninahitra ny fahamarinana…”, hoy ihany izy. Nanotrona izany ireo ireo mpitondra teo aloha, zanaky ny FJKM nahitana an-dRavalomanana mivady sy Rajaonarimampianina. Nandefa ny fialan-tsiny noho ny tsy fahafahany kosa ny filoha Rajoelina Andry Nirina.

Synèse R.    

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique