Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsipy kanetibe – PPF: tsara toerana i Tselonina

Tsipy kanetibe – PPF: tsara toerana i Tselonina

Niditra tamin’ny andro fahatelo, omaly,  ny fifaninanana PPF (Passion Pétanque Française), any Fréjus. Tsara ny valin-dalao ho an’Andrianjaka Jean Michel na i Tselonina, tao anatin’ny lalao “Tête à téte” izay nifandonany tamin’i Gino Delys. Niady mafy i Tselonina ka tafakatra tamin’ny dingan’ny manasa-dalana, 13 no ho 9 ny isa nisarahan’ny roa tonta nandritra izany. Omaly, tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, ora frantsay kosa no niady ny lalao manasa-dalana nanoloana an’i Dylan Rocher i Tselonina.

Teo amin’ny lalao “Triplette” kosa indray, tsy afa-bela nanoloana ny ekipan-dry Fazzino, i Foyot ary i Doerr ny ekipa malagasy, nahitana an’i Tselonina sy i Mamy ary i Luc. Ireto farany izay avy amin’ny klioban’ny BIC Ambohimahasoa. Nitarika ny ekipa malagasy tany am-piandohana ary nahavelom-panantenana ny rehetra ny voka-dalao nandritra izany. Noho ny tsy fahampian’ny fifantohana dia tsy nahatohitra ny mpifanandrina tamin’izy ireo intsony ireto mpilalao malagasy ireto, nanomboka teo amin’ny faha-10 minitra nilalaovana. Tonga hatramin’ny isa 13 no ho 5 ny lalao ary resy teo amin’ny tapany voalohany ny “Tour de poule” ny ekipa malagasy. Ny ekipan’ny Bonrtto no niandry ny ekipan’ny BIC nandritra ny tapany faharoa ny lalao “triplette”, omaly. Araka ny valin-dalao voray farany, tsy mbola nahita mangirana ny ekipa malagasy, nandritra ny 10 minitra nilalaovana.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.