Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rakitra ny fanenjehana tany Antsiranana: navotsotr’ireo jiolahy ilay karana nalaina an-keriny

Votsotra teo am-pelatanan’ireo jiolahy mpaka an-keriny, omaly tolakandro i Zavar Houssein Habib rehefa nifanenjehan’ny mpitandro filaminana ireo mpaka an-keriny. Raha ny fampitam-baovao voaray, nahazo vaovao momba ny toerana niafenan’ireo jiolahy ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena ka niantso ny lehibeny mba handefasana mpitandro filaminana (zandary, polisy ary tafika) hiodidina io toerana io izay ao amin’ny fokontany Mahatsara, kaominina ambonivohitr’Antsiranana. Rehefa nanakaiky ireo mpitandro filaminana izay nahitana an-tanety no sady nisy an-dranomasina dia nandositra avy hatrany ireo mpaka an-keriny ka votsotra ity teratany karana nalain’izy ireo an-keriny ity. Efa tafaverina soa aman-tsara eo anivon’ny fianakaviany, araka izany, ary tsy nisy vola naloa ho takalon’ny ainy. Mitohy ny fikarohana ataon’ny mpitandro filaminana ireto jiolahy mpaka an-keriny ireto.

J.C

 

 

Les commentaires sont fermées.