Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mivolon’andro fety: niravaka sy madio ny tanàna

Mivolon’andro fety: niravaka sy madio ny tanàna

Miavaka sy miravaka tanteraka  ary madio.  Rakotry  ny sainam-pirenena ary voaravaka  avokoa ny manamorona ny lalana rehetra eto an-dRenivohitra. Nalamina tanteraka  ny fifamoivoizana, araka ny fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina (CUA)  sy ny mpitatitra,  nifanindran-dalana amin’izao hanatanterahana ny fianianan’ny filoha Rajoelina izao. Nihena tsy tahaka ny isanandro, indrindra ny andro zoma ny fitohanana. Niasa mafy ny eo anivon’ny CUA sy  ireo mpitatitra ary ny polisim-pirenena, nandrindra izany fifamoivoizana izany. Nesorina  ireo  mpivarotra nanamorona  ny  fiantsonan’ny taxi-be. Nametrahana polisy hatrany teny. Nahitana  vahaolana ihany izany, na  ratsy aza ny lalana nefa navela ho  gaboraraka teto foana  ny tanàna, nandritra ny fotoana  maro… Tokony ho tohizana  sy  hatsaraina.

Ankoatra izany, nodiovina ny lalana rehetra sy ireo faritra sasany eto  an-dRenivohitra sy ny manodidina. Heni-boninahitra ny vahoaka sy ny firenena ary ireo vahiny manan-kaja. Hirariana koa anefa ny hitohizan’izany rehetra izany ary mitaky ezaka amin’ny tsirairay sy  ny tompon’andraikitra  isan-tokony.

Randria

Les commentaires sont fermées.