Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lehilahy iray namoy ainy: mirongatra be ny tsatoka antsy any Toamasina

Lehilahy iray namoy ainy: mirongatra be ny tsatoka antsy any Toamasina

Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao Ankirihiry Toamasina, ny alakamisy hariva tamin’ny 5 ora sy 30 mn, ny raim-pianakaviana iray tompon’ny Cyber Family sy ny fiangonana zandriny…

Araka ny loharanom-baovao voaray, antsy teny am-pelatanany ihany no namonoan’ireo nahavanon-doza azy. Fahazaran’ny olona any ambanivohitra ny mivimbina antsy indrindra raha mandeha anaty ala misy ny voly ka vao niakatra avy any an-tanimboly ity raim-pianakaviana ity no nifanehitra tamin’ilay tovolahy iray antsoina hoe Isala 20 taona. Nilaza tamin’ilay niharam-boina izy mba hametraka ny antsy fa hoe hiresaka izy ireo. Tsy nanampo na inona na inona ilay raim-pianakaviana ka nametraka ny antsy tokoa. Nifanatona izy ireo ka norarafan’Isala ny totohondry tampoka ka nianjera tamin’ny tany. Tsy vitan’izay fa mbola notsatotsatohany ny antsy koa izy rehefa nianjera tamin’ny tany. Niezaka niantso zandary izay nanao sakana teo Ivoloina lalam-pirenena fahadimy ny fokonolona sady nanenjika an’Isala. Tsy lasa lavitra anefa izy ka voasambotry ny zandary ihany. Ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny zandary no nahafantarana fa tovolahy efa zatra mpamono olona Isala ary mpifoka rongony mahery vaika. Jiolahy avy any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Mahabo i Isala no nandositra any Toamasina ary mody manara-bady mba hanafenany ny ratsy rehetra nataony tany amin’ny kaominina Mahabo, araka ny fanazavan’ireo olona mahafantatra azy.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.