Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

IFM: hiaka-tsehatra ry Jimmy B ZaotÖ

IFM: hiaka-tsehatra ry Jimmy B ZaotÖ

Tarika anisany manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny hira nanomboka tany amin’ny taona 2014 ry Jimmy B ZaotÖ. Haneho io mampiavaka azy io, ao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) izy ireo, ny 25 janoary izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Manome lanja lehibe ny fikarohana i Jimmy B ZaotÖ. Nipoitra avy amin’izany ny « ZaotÖ Groove ». Anisan’ny nanampy azy tamin’ny fikarohana ny fifaneraserana ataony amina mpanakanto maro avy eto an-toerana sy ny avy any ivelany. Tombony lehibe ananan-dRakotoson Jimmy Marius (Jimmy B ZaotÖ) ihany koa ny fanaovany fikarohana miainga any ifotony mihitsy. Trandrahiny ny tantara, ny fomba fiainan’ireo Malagasy teo aloha, sns. Tanora samy manana traikefa matanjaka eo amin’ny zavamaneno lalaoviny rahateo no mifarimbona ao anatin’ny tarika.

Marihina fa tamin’ny taona 2015, namoaka ny rakikirany voalohany, nampitondraina ny lohateny “Anatra Olobe” ny tarika. “ Tsy “fusion” izy io satria vokatry ny fitrandrahana ny lalako teo amin’ny sehatry ny mozika raha mbola tany amin’ny faha-5 taonako ka hatramin’izao”, hoy i Jimmy B ZaotÖ. Ny salegy, ohatra, nampidirana lokanga, Toraka izany koa ny tononkira, ahenoina oha-pitenenana na ohabolana, amin’ny maha fampitan-kafatra azy.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.