
Tsy mbola nisy tahaka ity indray mandeha ity. Farafahakeliny dimy ireo filoham-panjakana vahiny hanotrona ny fianianan’ny filoha Rajoelina eny Mahamasina, anio. Anisan’izany ny filoha isany, avy any Namibia, i Hage Geingob, ny avy any Kaomaoro, i Azali Assoumani, ny filoha Ghaneana, i Nana Akufo-Addo sy ny filohan’i Ginea, Alpha Condé. Ny filohan’i Etiopia, i Sahle-Work Zewde… ny filoha liberianina sady kintan’ny baolina kitra afrikanina fahiny, i George Weah. Manampy azy ireo ny filoha frantsay teo aloha, i Nicolas Sarkozy. Handefa solontena ireo firenen-dehibe tahaka an’i Frantsa, Japon, Etazonia, Rosia, Canada, Botsoana; Maorisy, Seychelles…
Eo koa ilay mpandraharaha lehibe avy any Dubai
Eo koa ny avy amin’ny ONU, ny Vondrona eoropeanina (UE), ny Vondrona afrikanina (UA), ny Frankofonia (OIF), ny Sadc sy ny Comesa ary ny avy aty amin’ny ranomasimbe Indianina (COI). Eo koa ireo mpandraharaha marobe avy amin’ny firenena samihafa. Anisan’izany ilay avy any Dubai, i Mohamed Alabbar, nanamboatra ireo fotodarfitrasa samihafa ahafantarana an’ity firenena ity.
Randria
Les commentaires sont fermées.