Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hajan’ny Gasy: namoaka ny “Fandresena” ny any Vakinankaratra

Hajan’ny Gasy: namoaka ny “Fandresena” ny any Vakinankaratra

Notanterahina ny 12 janoary teo, tao Amberobe Andranomanelatra ny lanonana famoahana tamim-pomba ofisialy ireo mpianatra kabary, teo anivon’ny fikambanana Hajan’ny Gasy, sampana Vakinankaratra. Nisalotra ny anarana “Fandresena” ity andiany itty, ahitana mpiofana miisa 30 mianadahy.  Notoloran’ny  fikambanana  mari-pahaizana avy izy ireo.

Tsy mitsaha-miitatra ny sahan’ny fampianarana kabary eo anivon’ny fikambanana Hajan’ny Gasy, ho an’ny tao Vakinankaratra, tao an-dRenivohitra ihany no nisy fanofanana hatramin’izay, saingy nanomboka tamin’ny taon-dasa, niitatra tsikelikely any amin’ny faritra manodidina an’Antsirabe izany. Marihina fa lohalaharana aloha, hatreto ny ao Vakinankaratra amin’ity fampitana fahaizana mikabary ity, satria avy ao ny filoha mpanorina ny fikambanana, Rahajason Honoré.

Mikasika ny lanonana notanterahina tao Andranomanelatra, nambaran’ny filohan’ny Hajan’ny Gasy fa avy amin’ny kaominina dimy ( Antsoantany, Andranomanelatra, Ambohimirivo, Ambatolahy, ary Ambatomena Soanindrariny) ireo mpiofana nivoaka ireo. Nasongadina manokana, tamin’ity fotoana ity, ny maha Malagasy, tamin’ny alalan’ny  don-tany  sy kapo-tandroka, seho an-tsehatra, antsa tononkalo sy ny maro hafa. Nanome voninahitra sy nanotrona izany ny vahiny avy ao an-tampon-tanànan’Antsirabe.

Vaovaobe hoentin’ity taona 2019 ity ny fisokafan’ny fianarana kabary any amin’ny faritra Bongolava. Tsiahivina fa sivy taona  moa izay ny  nijoroan’ny Hajan’ny Gasy, izay mijoro amin’ny teny faneva  hoe: « Reharehako ny maha Gasy ahy» ry zareo.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.