Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fianianan’ny filoham-pirenena: hanotrona ny Raiamandreny ara-drazana

Fianianan’ny filoham-pirenena: hanotrona ny Raiamandreny ara-drazana

Efa tonga eto an-drenivohitra ireo raiamandreny ara-drazana (Tangalamena, Ampanjaka, Andriana…) manerana ny Nosy, hanatrika ny fianianan’ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina eny Mahamasina sy Iavoloha. Nisy ny fivorian’izy ireo, omaly hariva, handinihana ny fanapahan-kevitra horaisina mikasika ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana sy ny fitondrana. Voalazan’ny mpitondra teny Randrianantoandro Robert avy ao amin’ny Tranoben’Imerina fa vonona izy ireo hanampy ny fanjakana amin’izay tolo-tanana tadiaviny amin’ny fahefana ananany amin’ny maha mpitondra ara-drazana eny anivon’ny vahoaka. Manome hasina ny fitondrana ara-drazana izao fitondrana vaovao izao, araka ny fahitan’izy ireo azy satria nomena toerana manokana eo amin’ny Vatomasina izy ireo amin’ny maha manam-pahefana azy, mandritra ny lanonana eo Mahamasina, anio.

J.C

Les commentaires sont fermées.