Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Nametra-pialana tsy ho filohan’ny TGV/Mapar ny filoha mpanorina, Rajoelina Andry Nirina. Nivory  ny teny amin’ny foiben-toeran’ny antoko teny amin’ny  Arena  Ivandry  eo  anivon’ny birao politika, ny alarobia ary nampahafantatra  izany, araka ny voalazan’ny  lalàna. Nirary soa ho an’ny  filoha Rajoelina izy ireo hahavita be amin’ny fitantanana ny firenena .

Niverina ho filohan’ny Antenimieran-doholona avy hatrany Rakotovao Rivo, nanomboka, omaly taorian’ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny vaovao.  Tsiahivina fa naharitra efa-bolana teo  ho eo ny nitantanany vonjimaika ny firenena rehefa nametra-pialana ny  filoha  teo aloha,  Rajaonarimampianina, lasa kandidà  tamin’ny fifidianana.

 

 

Les commentaires sont fermées.