Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanehoana firaisankina: raikitra ny “Rap Gasy Unity”

Fanehoana firaisankina: raikitra ny “Rap Gasy Unity”

Tontolo iray mamiratra, hanjakan’ny firahalahiana sy ny firaisankina. Tanjon’ny fikambanana Yo sy ireo rehetra milomano ao anatin’ny tontolon’ny hip hop sy ny rap gasy izany. Antony iray hikarakaran’izy ireo ny “Rap Gasy Unity”, hetsika iray izay hotontosaina ny 16 febroary ho avy izao, eny amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina.

Efa natao tamin’ny taon-dasa ihany ny hetsika, natao hifampiarahabana noho ny taona vaovao, eo amin’ireo samy mpisehatra anatin’ny tontolo. Fifankahafantarana ihany koa mba tsy hisian’ny hantsana manasaraka eo amin’ny samy mpiangaly ny rap gasy. Antsoina avokoa na ireo anatin’ny sokajy “old school”, na ireo zandry taty aoriana.
Mazava loatra fa arahina fiakarana an-tsehatra, iarahan’izay ho avy andray anjara ao ny fotoana. Hanapahana ihany koa izay mety ho hetsika hatao ao aoriana.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.