
Ho fety sy lanonana tsy tahaka ny fahita hatramin’izay. Hizara roa miavaka tsara ny lanonana etsy Mahamasina, anio. Eo aloha ny ho lanonam-pitsarana manetriketrika, amin’ny alalan’ny fianianan’ny filoha Rajoelina iarahana amin’ny HCC.
Hirosoana ny lanonana ara-miaramila ho fanomezam-boninahitra ambony indrindra ny filoha Rajoelina amin’ny handraisany ny toeran’ny maha filoha faratampon’ny Foloalindahy azy, aorian’ny fianianany. Hisy ny matso hataon’ny tafika sy ny zandary miisa 9 00 eo ho eo ho fanehoana izany.
Fanehoana ireo fiara 4×4 tsy mataho-dalana
Anisan’ny hanao izany, hisolo tena ny vondron-tafika rehetra ny eo anivon’ny zandarin’ny CFS Ivato, ny CIRGN, ny FIGN, ny sekolin’ny manambonihaitra any Moramanga, ny Acmil Antsirabe, ny RM1 Analakely, ny RFI eny Ivato sy ny avy amin’ny tafika anabakabaka Bani. Hidina eny an-kianja hisafo voalohany andian-tafika ny filoham-pirenena aorian’ny fianianany amin’io fotoana io. Midika ho fanamafisana ny maha filoha faratampon’ny Foloalindahy azy izany.Hanamarika izany koa anefa ny fampisehoana eo an-kianja ny fiara 4×4 miisa roa, tsy laitram-bala santionany amin’ireo mbola ho avy, natolotry ny filoha Rajoelina ho an’ny mpitandro filaminana. Aorian’izany, ho eny Iavoloha ireo nasaina hifampizara ny nofon-kena mitam-pihavanana amin’ny filoha Rajoelina mivady.
Avy eny an-dRovan’i Manjakamiadana ny afomanga
Hitohy kosa ny lanonana etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ka hiaka-tsehatra ireo mpanakanto hisolo tena ny faritra 22. Hofaranana amin’ny afomanga, hapoaka avy eny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana izany, amin’ny 7 ora hariva. “Hiova tsy tahaka ny fahita rehefa 26 jona ity indray mandeha ity. Aoka isika rehetra handray ny toromarika rehetra momba izany mialoha ny handefasana izany afomanga izany”, hoy ny tompon’andraikitry ny mpitandro filaminana. Niangaviana avy hatrany ireo mponina eny amin’ny 500m manodidina hanokatra ny fitaratry ny varavaran’ny trano na ny an’ny fiara fa hatao eny ambony eny izany mba ho hitan’ny vahoakan’Antananarivo.
Araka izany, hiavaka sy hisoratra eo amin’ny tantara ity fametrahana ny filoha Rajoelina amin’ny toerany ity.
Randria
Les commentaires sont fermées.