Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

COMGN – Jly Andrianjanaka Njatoarisoa: miandry vaovao ofisialy momba ny toeran’ny zandarimaria

COMGN – Jly Andrianjanaka Njatoarisoa: miandry vaovao ofisialy momba ny toeran’ny zandarimaria

« Izahay eto anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg) dia manana ny sata maha miaramila ka izay no nahatonga azy io niankina tamin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Izahay manokana tsy mbola mahafantatra hoe inona marina ny zava-hitranga ka aleo rehefa tena mivoaka vao tena miresaka », hoy ny fanazavan’ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa, momba ny vaovao mivoaka amin’ny haino aman-jery hoe : ho eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Atitany ny sehatry ny fiarovam-pirenena eo anivon’ny zandarimaria. Nambaran’ity manamboninahitra ity fa mbola tsy nivoaka tamin’ny fomba ofisialy izany fa resaka mandeha fotsiny ihany. Na eo aza anefa izany, nambarany fa misy ihany tokoa ny fanahiana satria raha ny resaka tsy fandriampahalemana dia ny Seg no tena voalohany miandraikitra ny filaminana any amin’ny tontolo ambanivohitra raha tsy hilaza afa-tsy ny isan’ny tobim-paritra miparitaka manerana ny Nosy. « Raha ny isan’ny olona no jerena dia isan’ny manana olona miasa betsaka eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny zandary. Tokony hamafisina aza ny maha minisiterana azy raha ny fieritreretanay mba hahafan’ny Seg tena miasa, araka ny tokony ho izy », araka ny fanazavan’ny Jly Njatoarisoa hatrany.

J.C

Les commentaires sont fermées.