Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Benelo: taksiborosy lasan’ny rano, olona efatra tsy hita popoka

Nitrangana loza indray teny amin’ny RN 13 tao amin’ny fokontany Benelo, kaominina ambanivohitr’Ianabinda, distrikan’i Betroka, afakomaly hariva. Taksiborosy Mazda iray mampitohy an’i Betroka sy Isoanala an’ny kaoperativa Besady no lasan’ny rano. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa niakatra ny rano teo amin’ity fokontany ity ka nentin’ny rano avy hatrany ilay taksiborosy. Nanahirana ny famonjena noho ny fiakaran’ny rano sy ny famoahana ireo mpandeha tao anaty fiara. Vokany, olona efatra mbola tsy hita popoka ka ankizikely ny roa amin’izy ireo. Faritra isan’ny saro-dalana rahateo iny RN 13 iny rehefa fotoam-pahavaratra. Sahirana ireo olona mampiasa iny lalana iny ary miteraka fijaliana sy amoizana aina toy izao hatrany izany. Manginy fotsiny ny asan-dahalo, saika ho isan’andro, andrenesana izany asan-dahalo izany ao anatin’ny distrikan’i Betroka. Mivarivary tanana ny mponina manoloana izany. Miantso ny fanjakana, araka izany, ny mponina any an-toerana mba hijery akaiky iny lalam-pirenena 13. Ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Betroka no mandray an-tanana ity raharaha ity.

J.C

 

Les commentaires sont fermées.