Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

AVG: “Mila arovana manokana ny harena voajanahary”

Niarahaba ny filoham-pirenena vaovao, Rajoelina Andry, ny vovonana fiarahamonim-pirenena, Alliance voahary gasy (AVG), ivondronan’ny fikambanana miaro ny tontolo iainana malagasy. Nisaorany koa ny tompon’andraiki-panjakana, ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry, ny sehatra tsy miankina, indrindra ny vondron’olona eny ifotony niara-niasa tamin’ny AVG hatramin’izay, vokatry ny fijoroana amin’ny fahamarinana.

Mampahery ny filoha Rajoelina ny AVG hanome ohatra tsara sy hahay hifehy ny tompon’andraikitra samihafa mikasika ny fitantanana maharitra ny harem-pirenena ary miangavy azy “hampitsahatra ny gaboraraka nisy hatramin’izay”.

Hanara-maso ny eny ifotony

Manao antso avo amin’ny governemanta vaovao hijoro ity fikambanana ity hanaja ny fomba fiasa sy ny lalàna. Toraka izany koa ny manam-pahefana any amin’ny faritra, ny distrika sy ny kaominina ho mailo amin’ny fitrandrahana sy ny fandripahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary satria hitany eo ambany masony izany. Antsoiny, toy izany koa, ny mpiray tanindrazana tsy ankanavaka hanara-maso eny ifotony.

Arofanina sy aroriaka

Manamarika ny AVG, fa tsy miandany sady tsy manohitra politika amin’ny maha fiarahamonim-pirenena azy fa arofanina sy aroriaka ary mety hifanandrina amin’ny fanjakana raha voatohina ny tombontsoam-pirenena. Antontan-kevitra mitombina sy voaporofo no iaingan’ny fiarahamonim-pirenena entiny miasa sy mihetsika.

Marihina fa nahavita ny fivoriamben’ny mpikambana ny AVG, ny 17 sy ny 18 janoary teo. Lasa ho 30 indray ny mpikambana, niampy ny Fafito avy ao amin’ny Fiangonana loteranina malagasy sy ny fikambanana tantsaha Fekritama. Voafidy ho filohan’ny Filankevi-pitantanana indray, Razakamanarina Ndranto.

Njaka Andriantefiarinesy

 

 

 

Les commentaires sont fermées.