Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

68% amin’ny CSB no nahatonga tatitra: 76% ny tahan’ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny kitrotro

68% amin’ny CSB no nahatonga tatitra: 76% ny tahan’ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny kitrotro

Hatramin’ny omaly, 68% amin’ny CSB nanao ny vaksiny iarovana amin’ny aretina kitrotro no nahatonga vokatra teny anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana amin’ny tahan’ny ankizy vita vaksiny. Tsara ny taha satria 76% raha ny tatitra avy any amin’ny minisitera nefa mbola ny 68% amin’ny CSB( ao anatin’ny distrika 25) ihany no nandefa ny tatitra hatramin’ny omaly. Heverina fa hiakatra io taha io rehefa tonga ny vokatra rehetra, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana.  Efa niandry ny fanaovam-baksiny faobe mihitsy ireo ray aman-dreny ka nirohotra nitondra ny zanany avokoa raha vao fantatra ny daty nanatanterahana izany. Nisy koa ny fanaovam-baksiny teny anivon’ny sekoly izay nangatahana fiara-miasa tamin’ny mpitantana ny sekoly sy ny ray aman-dreny. Ny volana febroary indray ny hetsika manaraka ho an’ny distrika hafa mbola tsy nanao izany.

Fiarovana ho an’ny ankizy mbola tsy nahavita vaksiny na tsy mbola voan’ny kitrotro ny vaksiny. Ireo efa voa koa entanina mbola hamerina ny vaksiny satria indraindray bonibony no nahazo ilay zaza fa tsy kitrotro ka fisorohana tsara ny famerenana ny vaksiny, hoy ny mpitsabo. Andrasana ho sitrana tsara ilay marary vao entina atao vaksiny kitrotro indray.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.