Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vohitsoa – RN 7: maty voatifitra ilay jiolahy nandroba ny biraon’ny zandary

Maty rotidrotiky ny balan’ny zandary ilay jiolahy tompon’antoka tamin’ny fandrobana ny biraon’ny zandary ao Vohitsoa RN 7. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, norobain’ny jiolahy ny birao fiasan’ireo zandary ao Vohitsoa, ny talata alina teo. Tsy tao an-toerana ireo zandary fa lasa nampandry tany tao amin’ny kaominina Antsoatany ka nanararaotra izany ry zalahy ka niditra an-tsokosoko sady namaky ny tranon’ny zandary. Vokany, lasan’ireo malaso tamin’izany ny entana fampiasan’izy ireo zandary niaraka tamin’ny kitapo nisy ny entan’ireo zandary. Lasa nitsoaka avy hatrany ry zalahy taorian’izay. Tsikaritry ny fokonolona teo an-tanàna anefa izany ka nampandre haingana ny zandary izy ireo ka raikitra ny fanarahan-dia. Nifanehatra tamin’ireo mpanara-dia ny iray amin’ireo jiolahy niaraka tamin’ny entana halatra. Nikasa hitsoaka avy hatrany ity jiolahy ity raha vantany vao nahita ireo zandary. Nampitandrina tamin’ny alalan’ny tifi-danitra ihany ny zandary saingy tsy nety nijanona ilay jiolahy. Nitifitra ny zandary ka voa ilay jiolahy. Nentina namonjy hopitaly ihany ity jiolahy ity, saingy tsy avotra intsony ny ainy noho ny fahaverezan-dra. Efa tafaverina avokoa ireo entan’ireo zandary.

Lavon’ny zandary koa ny dahalo raindahiny antsoina hoe Dada, 30 taona monina ao Andranofasina Manakana, distrikan’i Tsaratanana, ny 15 janoary lasa teo. Dahalo nampitondra faisana tany an-toerana ity Dada ity. Nikasa hitsoaka anefa izy rehefa teo am-pelatanan’ny zandary ka izao maty izao.

J.C

Les commentaires sont fermées.