Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Seranan-tsambon’i Toamasina: nirehitra ny sambo Nosy Mangabe, olona roa maty, 4 naratra

Seranan-tsambon’i Toamasina: nirehitra ny sambo Nosy Mangabe, olona roa maty, 4 naratra

Nitrangana fahamaizana sambo tao amin’ny  seranan-tsambon’i Toamasina, ny  alarobia tokony tamin’ny 11 ora antoandro. Vokany, nahafatesana olona roa sy naharatrana efatra hafa naratra mafy, mbola manaraka fitsaboana tamin’ity tranga ity.

Sambo mpitatitra entana  mitondra anarana Nosy Mangabe mampitohy an’i Toamasina sy Maroantsetra  ary Nosy Ste Marie hatrany Antalaha no tra-doza vokatry ny tsy fitandremana. Miantsona tao amin’ny Toamasina ny sambo niharam-boina, ny  andron’ny alarobia io.  Nisy ny fanamboarana maotera sy milina, indrindra teo amin’ny fitahirizana solika (réservoir). Nanao  « soudure » ny mpiasa misahana ny ara-tekinika ary teo ihany koa ny solontenan’ny tompon-tsambo.

Io fanaovana  « soudure » ny fitahirizana solika io no nitarika fipoahana mafy ary nisy piti-javatra maranitra tamin’izany. May ny enina mirahalahy ary anisan’ izany i Jean Claude, solontenan’ny tompon-tsambo Nosy Mangabe.

Niezaka ny mpamonjy voina ny teo anivon’ny seranan-tsambon’ i Toamasina namonjy ireo olona ireo, ary nitondra ireo enina mirahalahy naratra.  Maty ny iray vao tonga tany amin’ny hopitaly ary omaly no fantatra fa namoy ny ainy koa ny faharoa, izay tany amin’ny fameloman’aina.

Efatra mirahalahy kosa, efa samy nahazo hopitaly, manaraka ny fitsaboana mila arahi-maso. Naharitra adim-pamataran’ andro iray ny famonoana ny afo tao amin’ny seran-tsambo, izay efa nahina ny fiitarany tamin’ny sambo hafa  mifaneritery be ihany ao amin’ny fiantsonan’ny sambo mampiasa ny zotra anatiny .

Sambo matetika hisehoana loza

Nambaran’ireo fianakavian’ny niharamboina tamin ‘ity sambo ity fa matetika misendra olana ny  mpiasan’ny Nosy Mangabe, saingy tsy ampidirin’ny tompon-tsambo  ao anatin’ny «journal de bord » mihitsy izany.

Manoloana ireo loza sy tranga mateti-pahazo ny mpiasa ireo,  tsy mba mandray an-tanana ny tompon’andraikitra. Voalaza fa efa nisy tapa-tanana, tongotra, maratra mianjera eny ambonin’ny sambo. »Misoratra amin’ny Cnaps ireo mpiasa, saingy tsy tonga ao amin’ny kaonty Cnaps akory ny zon’ny mpiasa nefa esorin’ilay tompon-tsambo amin’ny karama izany », hoy hatrany ny fianakavian’ ireo niharam-boina. Ny tompon-tsambo kosa mbola tsy naneho hevitra manoloana ity trangan-javatra ity. Efa misy ny fanadihadiana atao, ary hampanatsoin’ny mpitandro filaminana izy, aoriana kely.

Sajo sy Yves S.

Les commentaires sont fermées.