Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sehatry ny fanofanana arakasa: nahazo lycée teknika Ambatomanga

Sehatry ny fanofanana arakasa: nahazo lycée teknika Ambatomanga

Hisokatra amin’ity taona ity ny fampianarana teknika sy fampiofanana momba ny asa ao amin’ny kaominina ambanivohitra Alarobia Ambatomanga distrikan’i Manjakandriana. Vita ny lycée vaovao sy ny birao fiasan’ny mpiandraikitra voalohany izay notokanan’ny minisitry ny Fampianarana teknika, Rahantasoa Lydia Aimée, tamin’ity herinandro ity. Ny lalam-piofanana « tertiaire G1-G2, chef de chantier, dessinateur métreur, ouvrage bois, agriculture elevage », no hisafidianan’ny mpianatra. Efa vonona koa ny seza sy ny latabatra ary ny dabilio 50 hianaran’ny mpianatra miaraka amin’ny fampitaovana samihafa. Nahazo moto koa ny mpitantana voalohany hanampy azy amin’ny asany rehetra.

« Miankina amin’ny  filan’ny faritra no hanokafana ny sekoly nefa koa tsy manalavitra ny tarigetran’ny minisitera miaraka amin’ny fampitaovana sy ny fanofanana ny mpiasa », hoy ny minisitra mpiahy.
Afaka miditra ao amin’ny lycée teknika ireo mpianatra nahazo ny mari-pahaizana BEPC. Fanamby ho an’ ny sekoly kosa ny hamoahana mpianatra mendrika araka ny fanazavan’ny mpiandraikitra voalohany ny lycée teknika, Razafimanantsoa Rivo Nirina Andry. Faly ireo ray aman-dreny satria manala fahasahiranana azy ireo ny fisokafan’ny toeram-pampianarana teknika eo an-toerana. Teo aloha, tsy maintsy mandrato fianarana eny amin’ny kaominina manodidina hafa raha hanaraka ny fampianarana teknika ny mpianatra.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.