Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Noho ny asan ‘ny IFVM: fongana ny andiam-balala amin’izao fotoana izao

Noho ny asan ‘ny IFVM: fongana ny andiam-balala amin’izao fotoana izao

Fongana ny andiam-balala eto amintsika amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavana nomen’ny Ivontoerana famongorana ny valala eto Madagasikara (IFVM), ao anatin’ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana. Hetsika telo natomboka ny taona 2016, ka volan’ny fanjakana malagasy, tsy misy fanampiana avy any ivelany, nentina nanaovana izany.

2016-2017, natao ny « Angaredona » nandrarahana fanafody namonoana andiam-balala amina velaran-tany 268 000 ha. Ny volana mey 2017, ripaka ny andiam-balala tamin’ny faritra maro ; nitohy indray ny ady nanaovana ny  “Rodobe”, taona 2017 -2018 amina velaran-tany 35 000 ha nahitana andiam-balala ; hetsika fahatelo ny “Savahao” nanomboka ny volana septambra 2018. Natao savahao tokoa ireo toerana mampiahiahy, mety ahitana valala mandeha singany. Tsy maintsy arahi-maso ireny valala mandeha singany ireny, raha ny fanazavan’ny teknisianin’ny IFVM, satria ireny ihany no manatody mampirongatra azy indray. 750 ha nanaovana io hetsika “Savahao” io hatramin’izao ataon’ireo teknisianina mitety faritra.

Tsiahivina fa nandritra ny fitokanana ny laboratoara an’ny IFVM, teny Nanisana ny 10 janoary teo, nambara fa nidina ambany dia ambany ny vokatry ny fambolena, indrindra tato anatin’ny 10 taona farany. Tsy noho ny valala ihany fa eo koa ny faharatsian’ny toetr’andro, ny fahantran’ny mpamboly, sy ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa hampivoarana ny fambolena. Koa nanome toky ireo mpamboly ny IFVM manomboka izao fa tsy atahorana intsony ny valala. Na izany aza, tsy tokony ho varimbariana ary mila lanjalanjaina ny fampiasana fanafody simika tsy hanimba ny voly hafa sy ny tontolo iainana.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.