Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mangamila – RN 3: taksiborosy nivadika, vehivavy iray atahorana ny ainy

Mangamila – RN 3: taksiborosy nivadika, vehivavy iray atahorana ny ainy

Atahorana ny ain’ilay renim-pianakaviana isan’ireo mpandeha tratran’ny lozam-pifamoivoizana tao Antranokambana, kaominina Mangamila, distrikan’Anjozorobe, omaly.

Nitrangana lozam-piarakodia indray teny amin’ny RN 3 tao amin’ny toerana antsoina hoe Antranokambana, kaominina Mangamila, distrikan’Anjorozobe. Taksiborosy Sprinter iray mampitohy an’Antananarivo sy Anjorozobe ity namoa-doza ity. Avy any Anjozorobe hiakatra aty an-drenivohitra ity taksiborosy ity no nivadika tampoka rehefa tsy nahafehy ny familiana teo am-pisongonana fiara Sprinter iray hafa teo alohany. Vokany, nivadika avy hatrany ny fiara ka naratra avokoa ny ankamaroan’ireo mpandeha tao anaty fiara. Renim-pianakaviana iray no tena voa mafy satria atahorana mihitsy ny ainy hatramin’ny omaly, raha ny fampitam-baovao voaray. Isan’ireo naratra mafy koa ny mpamily noho ny fivadihan’ilay fiara. Nampiakarina haingana aty an-drenivohitra ireo naratra tamin’ity loza ity. Afaka niampita fiara hafa ka nanohy ny diany kosa ireo mpandeha sasany avotra tamin’ilay loza. Nahitana fahasimbana ilay fiara, vaky ny fitaratrabe eo anoloan’ny mpamily. Tsy vao izao no ahitana tranga lozam-piarakodia toy izao eny amin’ny lalam-pirenena. Tokony hitandrina hatrany ny mpamily satria ain’olona no eo am-pelatanan’izy ireo.

J.C

Les commentaires sont fermées.