Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kolontsaina sy zavakanto: mitaky ezaka ny mari-boninahitra

Kolontsaina sy zavakanto: mitaky ezaka ny mari-boninahitra

Efa zary fomba fanao mahazatra tao anatin’ny taona maromaro izay ny fizarana mari-boninahitra ho an’ny mpanakanto, mpikirakira ny zavakanto sy ny kolontsaina, sns. Endrika hoenti-maneho fa mendrika izany izy ireo sy ny kanto nataony. Amin’ny lafiny ilany indray, ny fanomezana mari-boninahitra toa milaza sy azo adika amin’ny hoe : « tohizo, tohizo, tohizo hatrany ny ezaka efa natanareo fa tsara ! »….

Azo antoka fa mitafy izay finiavana ny hanao ezaka izay avokoa ny ankamaroan’ireo notolorana mari-boninahitra, saingy indro kely, hoy ny mpandrafitra. Mamaly izay ezaka ataon’ireny (mpanakanto, mpikirakira ny kanto…) ireny ve ny zava-misy marina eto amin’ny firenena ? Na manam-piniavana hanatsara hatrany ny famoronana ataony aza ny mpihira, ny mpandihy, ny mpanao hosodoko, ny mpanao sokitra, sns ; manana sehatra na trano na kianja, sns, hanehoana izany ve izy ireo ? Ohatra ihany io fa maro ny tranga tahaka izany.

… Tsy tokony ho ny tolorana mari-boninahitra ihany no manao ezaka hanatsarana ny kanto ataony fa ny mpanolotra ihany koa mba tsy handeha ila ny fampandrosoana ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.