Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fianianan’ny filoha Rajoelina: ho  avy ireo filoham-pirenena vahiny

Fianianan’ny filoha Rajoelina: ho  avy ireo filoham-pirenena vahiny

Hanao be fiavy, manomboka anio, ireo vahiny. Anisan’ny voaasa ary hanatrika ny fianianan’ny filoha Rajoelina  ny filoha  frantsay teo aloha, i Nicolas  Sarkozy. Eo  koa ny  avy amin’ny  Vondrona afrikanina, i Moussa Faki  sy ny filohan’i Kaomoro, i Azali Assoumani ary ny filohan’i Ghana, i Nana Akufo Addo. Handefa solontena  ireo firenena eo  anivon’ny COI aty amin’ny ranomasimbe Indianina.  Tahaka  izany koa i Japon, hanana solontena ary ny fitondrana  frantsay amin’ny alalan’ny sekreteram-panjakana misahana  ny  Raharaham-bahiny sy Eoropa, i Jean Baptiste Lemoyene. Hanana ny solontenany koa ny avy amin’ny Firenena mikambana (ONU), ny OIF, ny Sadc miaraka amin’ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika. Mbola mety hitombo  sy hiampy  ny isan’ireo  vahiny manan-kaja  sy tompon’andraikitra  ambony avy amin’ny firenen-tsamihafa ho avy eto amintsika ireo.

Ho fararanom-bahiny izany izao fiovan’ny tantara amin’ny fianianan’ny filoha Rajoelina, rahampitso  etsy Mahamasina sy eny iavoloha izao.

Randria

Les commentaires sont fermées.