
Vaovao maro mpanaraka . Nivoaka amin’n y fanginany ny eo anivon’ny Bianco ka nilazalaza ny momba ireo antontan-taratasy eo an-tanany amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny « Raharaha Mbola Rajaonah ».
« Efa halefa eny amin’ny fitsarana tsy ho ela ny momba ny « Raharaha Mbola Rajaonah »… Mitohy hatrany ny asanay na eo aza ny fiovan’ny fitondrana sy ny resaka politika », hoy ny tale jeneralin’ny Bianco, Andriamifidy Jean Louis, omaly tetsy Anosy. Nanteriny fa efa nandalo fanadihadiana, ny 15 desambra teo, ity mpandraharaha ity. Niato izany noho ny fotoam-pialan-tsasatry ny fitsarana. Efa miverina miditra miasa ny eo anivon’ny fitsarana amin’izao fotoana izao. “Efa eo am-pamaranana ny antontan-taratasy momba io raharaha io izahay amin’izao fotoana izao ary hafela tsy ho ela any amin’ny fitsarana izany avy eo rehefa vita ny famotorana rehetra”, hoy ihany izy.
Anisan’ny maha voarohirohy ity tandapa teo aloha ity ny hosoka sy kolikoly. Mazava ny nambaran’ny Bianco fa tsy anavahana na iza na iza ny fampiharana ny lalàna. Tsy misy idiran’ny resaka politika na koa fifandimbiasan-toerana eo amin’ny mpitondra izany.
“Raharaha Razaimamonjy Claudine”
Ankoatra izany, efa maromaro ireo antontan-taratasy ho an’ny taona 2018 eo an-tanan’ny Bianco. “Efa mamarana ny momba ireny izahay izao. Anisan’izany ny momba ny “Raharaha Razaimamonjy Claudine” sy ny hafa. Halefa eny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) izany rehefa vita”, hoy ihany izy.
Notsiahivin’ny eo anivon’ny Bianco fa tsy manao fanenjehana izy ireo, saingy manao ny famotorana momba ny resaka kolikoly. Manao ny asany araka ny tokony ho izy koa izy ireo na eo aza ny tsindry samihafa, indrindra amin’ny haino aman-jery.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.