Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanatsarana ny fomba fiasa: nahazo fiofanana ny teknisianin’ny Cnapmad

Nahazo fiofanana ireo teknisina maherin’ny 80 eo anivon’ny Cnapmad ho fanamafisana sy fanatsarana ny fahaiza-manao. « Nandalo fotoan-tsarotra an-taony maro ny orinasa. Tsy maintsy haverina amin’ny toerany sy laoniny izany. Tanjona amin’ity taona ity izany » ,  hoy ny tale jeneraly, Rajaonarivelo Brysola.  Hanomboka tsy ho ela ihany koa ny asa fanarenana ireo efitrano efa tena simba mba hahafahana indray mamelo-maso ity orinasam-panjakana ity . Efa hiroso amin’ny andrana atao amin ny famokarana ireo entana vokariny ny Cnapmad. Anisan’izany ny entana ilain’ny mponina andavanadro toy ny “sio” sy ny vera.  “Afaka mamokatra ireny isika ary vonona ny hifaninana amin’ireo orinasa avy any ivelany.  Mbola afaka mamokatra fanaka maro ilaina amin ny birao koa ny orinasa. Kendrena ny hanampiana  tosika amin ny fanomezan asa ho an’ny tanora”, hoy ihany ny talen’ny Cnapmad.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.