Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CUA sy mpitatitra: nalana ireo mpivarotra eny amin’ny fiantsonan’ny taksibe

Taorian’ny fihaonan’ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), Ravalomanana Lalao sy ireo  matihanina eo amin’ny sehatry ny fitaterana  eto  an-dRenivohitra, ny talata teo, nisy ny ezaka natao amahana ny olan’ny mpitatitra.  Niditra avy hatrany tamin’ny fanalàna ny mpivarotra amin’ny toerana fiantsonan’ny fiara mpitatitra ny kaominina.

Nasiana ny familian-dalana na “deviation”, fanohizana ny fametahana ireo takelaby famantarana, fijerena ireo toerana tena be fitohanan’ny fiarakodia… Misy kosa ireo fangatahana  izay mila  fanapahan-kevitry ny mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo, amin’ny   volana  febroary ho avy izao.

Anisan’izany ny resaka” licence”. Ankoatra izany, olana goavana  sedrain’ireo mpitatitra ny faharatsian’ny  lalana  eto Antananarivo Renivohitra. Tsy mijery fotsiny izany ny CUA  fa manao izay vitany amin’ny fanapenana ny lavadavaka.

Anjaran’ny  minisiteran’ny   asa vaventy kosa no tena manamboatra izany.  Koa rehefa mitsangana ny  fitondràna vaovao dia  hisy ny fiarahana mitaky amin’ny minisitera misahana   izany ataon’ny mpitatitra sy ny  kaominina.

Naneho ny fahavononany  hiaraka hiasa amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ireo mpitatitra,  mba ho tombontsoan’ny  rehetra  . Hisy araka izany ny fihaonana matetika ho fanatsarana sy fanatevenana izay fiaraha-miasa izay.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.