Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Betongolo: notokanana ny trano vaovao fiasan’ny Seg

Betongolo: notokanana ny trano vaovao fiasan’ny Seg

Tetibolan’ny zandarimariam-pirenena ho an’ny fananganana fotodrafitrasa sy fampitaovana no nahafahana nanangana ireo fotodrafitrasa ary nanomezana ireo fitaovana mba hoentina hamorana ny fanatanterahana ny asan’ny zandarimaria, araka ny fanazavana momba ny fahavitan’ny trano vaovao birao fiasan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg) sy ny rantsa-mangaikany ary ny kianja marolafy eny amin’ny Toby Jeneraly Philibert Ramarolahy Betongolo.

Ankoatra izany, tsy azoazon’ny eo anivon’ny zandary raha mitombina ny fanakambanana ny sehatry ny fiarovam-pirenena eo anivon’ny zandarimaria hiaraka amin’ny minisiteran’ny atitany, raha mitombina ny firafitry ny governemanta miparitaka amin’ny haino aman-jery. Ny zandary rahateo mahenika ny faritra maro manerana ny Nosy. Koa nangataka ireo zandary mba hijanona ho mahaleo tena ihany ny Seg noho ny adidy goavana iantsorohan’izy ireo amin’ny fiarovana ny olona sy ny fananany.

Nitarika ny lanonana nandritra ny fitokanana, omaly, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rasolofonirina Béni Xavier sy ny Seg, ny Jly Randrimanarina Jean Christophe notronin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Foloalindahy malagasy. Tsiahivina fa ny taona 1996 no natsangana ny Seg ka teny Antanimora teny amin’ny CIS ankehitriny no nisy azy hatramin’ny taona 2002. Rehefa rava ny Seg ny taona 2002, natsangana indray ny taona 2009 dia nafindra eny Betongolo.

J.C

Les commentaires sont fermées.