Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anarana iraisan’ny eny anivon’ny Antenimiera: mbola tsara toerana ho Praiminisitra i Ntsay Christian

Nivory tsy an-kiato ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny alatsinainy ary nandinika ny anarana hatolotra ny filoha Rajoelina, hotendrena ho praiminisitra. Efa maherin’ny 100 ny sonia voaangona amin’ny hitazonana amin’ny toerany, ny Praiminisitra Ntsay  Christian.

Etsy andaniny, efa  nivoaka ny ho firafitry ny governemanta vaovao, miainga amin’ny fanatanterahana ny IEM.

Praiminisitra  lefitra miisa efatra

Hisy ny praiminisitra lefitra hisahana ny fandrindrana sy ny  fanaraha-maso  ary  ny tomban’ny IEM.  Manampy izany ny minisitera enina ho an’ny sosialy hotarihin’ny praiminisitra lefitra misahana  ny mponina sy ny vehivavy. Eo koa ny minisiteran’ny Fahasalamana ary  ampiarahana aminy rano sy ny fanadiovana.  Lasa minisitera iray ny fanabeazana sy ny fampianarana ambony ary ny fikarohana siantifika. Hitokana tahaka  ny teo aloha ny minisiteran’ny fampianarana teknika  sy fanofanana arakasa. Tsy miova ny minisiteran’ny Asam-panjakana ary ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena.

Valo ireo minisitera ho amin’ny fanamafisana ny fampandrosoana, hotarihin’ny praiminisitra lefitra misahana ny Asa vaventy sy ny fitaterana ary fanajariana ny   tany sy ny fotodrafitrasa. Natambatra ao izany ny fitaterana sy ny asa vaventy raha minisitera tokana izany teo aloha. Manampy izany ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny fa sady hisahana ny tanora sy  ny fampandrosoana. Mitokana tahaka ny teo aloha ny minisiteran’ny Vola sy ny Fitsarana. Mbola eo koa ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, saingy hiampy ny fiarovam-pirenena eo ambany fiahian’ny zandarimarim-pirenena  izany. Mitokana  hatrany ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Hitambatra minisitera ny Fifandraisana sy ny paositra ary ny fampiroboroboana ny nomerika. Tsy miova kosa fa eo ihany ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka.

Minisitera hisahana  ny paikady ho amin’ny toekarena

Enina ireo minisitera ho an’ny paikady ara-toekarena.  Hitarika izany ny praiminisitra lefitra ho an’ny indostria  sy ny sehatra tsy miankina. Natambatra aminy koa ny varotra sy ny fanjifana. Nampiarahana minisitera iray koa ny fambolena sy ny fiompiana, miaraka amin’ny harena an-dranomasina. Mitokana ny minisiteran’ny Toekarena. Miaraka kosa ny minisiteran’ny Fizahantany,  ny famantarana ny toetry ny andro, ny tontolo iainana ary  ny ala.  Nampiarahana minisitera iray ny angovo sy ny harena an-kibon’ny tany ary  ny akoranafo sy  ny solika. Minisitera faha-22 kosa  ny kolontsaina sy ny  asa tanana ary ny vakoka.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.