Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Zaka tsara: ny lalàna dia lalàna…

Lasa resabe ny amin’ny fombafomba amin’ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika. Nahoana loatra? Efa zary mandeha ho azy ny tsy fanajana sy ny tsy fampiharan-dalàna? Tsy fantatra intsony na noho ny tsy fahalalana, na fanahy iniana…

Nefa tsy misy ny hoe heverina ho tsy mahalala ny lalàna velona, andrao manamarin-tena amin’ny tsy fanarahan-dalàna. Tena anisan’ny fositra koa, tsy misy na tsy firy ny alain-tahaka sy hotahafina amin’ny fanajana sy fampiharan-dalàna?

Nihenjana sy hentitra, ohatra, ny tomponandraiki-panjakana talohaloha teo fa aorian’ny fahavitan’ny fianianan’ny filoha vaovao ny Repoblika ny famindram-pahefana. Efa vita ny fianianana izy vao tena filohan’ny Repoblika.

Nefa izao indray, lazaina fa alohan’ny fianianana ny famindram-pahefana. Inona ny marina? Tsy mahagaga raha mandeha ho azy ary mahazo vahana ny tsy fanarahan-dalàna. Tsy hita amin’ny tomponandraikitra tsinona izay fanajan-dalàna?

R.Nd.

 

 

Les commentaires sont fermées.