Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tanoran’Antsohihy: « Hanome tanana ny filoha »

Tanoran’Antsohihy: « Hanome tanana ny filoha »

Manao ranolava ny fanambarana fanohanana sy fahavononana hiara-kiasa amin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry Nirina. Anisan’ny naneho hevitra momba izany ny tanora avy any Antsohihy. “Miandrandra sy manantena ny asa fampandrosoana izahay. Vonona izahay ny hanome tanana ny filoham-pirenena, Rajoelina, amin’ny fanatanterahana ny tetikasany”, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny Tanora any Antsohihy, i Houssen Ibrahim na i Babalahy, omaly. Notsiahivin’izy ireo tamin’izany fa tohanan’izy ireo ny velirano nataony ho an’ny tanora. Voatsiahy tamin’izany ny fananan’iny faritra Sofia iny ny harena an-kibon’ny tany, toy ny volamena, ny vato. Eo koa anefa ny voly fanondrana. Itovizan’ireto tanora ireto amin’ny  distrika hafa koa ny tokony hijerena ny hametrahana orinasa lehibe hanodina ny vokatra any an-toerana. Hiteraka asa ho an’ny tanora any an-toerana rahateo izany, araka ny nambaran’i Babalahy ihany.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.