Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Raholinarivo Paolo: « Diso isika hatramin’izay… »

Raholinarivo Paolo: « Diso isika hatramin’izay… »

Tsy mbola nifarana eo. « Nanao hadisoana isika hatramin’izay amin’ny fanaovana fotoam-pivavahana na fitondrana Baiboly amin’ny lanonam-panjakana. Aza hadinoina fa tsy FFKM ihany ny fiangoanana voasoratra ao amin’ny minisiteran’ny Atitany fa marobe… Terena ho ireo fiangonana lehibe ihany ny fiangonana eto… Rariny sy hitsiny raha tsy itondrana Baiboly sy fotoam-pivavahana ny eny Mahamasina amin’ny fianianan’ny filoha Rajoelina. Baibolin’iza ny entina eny Mahamasina? Manome tombony ny sasany sy fitanilana izany”, hoy ny administratera sivily, Raholinarivo Paolo, omaly. Nohitsiny fa efa mazava ny voalazan’ny lalàmpanorenana amin’ny maha fanjakana laîka sy repoblikanina ary demokratika antsika. Zary lasa adikan’ny sasany ho zavatra hafa izany ka mampisavorovoro ny saim-bahoaka, araka ny nambarany. Notsiahiviny fa marobe ny antokom-pinoana. Eo ny kristianina, ahitana ireo fiangonana tranainy. Eo koa ny zandriny. Manampy ireo anefa ny nentin-drazana, ny silamo… “Fanjakana laîka isika matoa nekena ireo finoana marobe ireo. Manaja ny fahalalahan’ny finoana ary voalazan’ny lalàna izany. Tsy maintsy misaraka mazava ny asan’ny fanjakana sy ny fiangonana ary tsy tokony henjehina amin’ny finoany ny tsirairay rehefa tsy manohintohina ny hafa”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.