Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpitarika fanatanjahantena ifotony: ilaina ny minisitra manana traikefa

Mpitarika fanatanjahantena ifotony: ilaina ny minisitra manana traikefa

Nanao fanambarana, tetsy Mahamasina omaly, ireo mpitarika fanatanjahantena ifotony, avy amin’ny klioba sy ny seksiona, ny ligy ary ny federasiona ny amin’ny hetahetan’izy ireo amin’izay ho minisitra hitantana ny fanatanjahantena eto Madagasikara. Nitondra ny teny Rakoto Mino Harifetra, filohan’ny ligin’ny kick-boxing Analamanga, ka nolazainy tamin’izany fa tsy hoe: tsy nahavita na tsy mahay akory ny teo aloha fa mba tiany raha miakatra ambonimbony kokoa ny fanatanjahantena eto Madagasikara.

Araka izany, misy mason-tsivana dimy hatolotr’izy ireo ny filoham-pirenena sy izay ho praiminisitra voatendry eo. Mangataka ny fikambanana mba ho minisitra tanora satria izay no ilaina ivelaran’ny IEM amin’ny fanatanjahantena eto Madagasikara. Olona niaina ary mahafantatra tsara ny aretina mahazo ny fanatanjahatena malagasy ka vonona sy afaka ny hitsabo izany. Manana traikefa sy ny fahaizana ary ny mari-pahaizana amin’ny fitantanana ny taranja isanisany, indrindra ny fanatanjahantena avo lenta sy ny fifandraisana iraisam-pirenena. Farany, mba ho olom-baovao, manana vina, hampakatra avo ny fanatanjahanena, ho reharehan’i Madagasikara.

 

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.