Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Ho an’ny toetr’andro hatramin’ny 20 janoary izao, hitoetra any amin’ny tapany andrefan’ny Nosy ny oram-baratra. Ho maina ny any atsimo sy ny Atsimo Atsinanana ato anatin’ny roa andro ho avy izao. Orana entin’ny Alizay kosa ny any Analanjirofo sy ny any Sava ary ny any Atsinanana. Marihina fa hiverina hahakasika ny faritra rehetra ny oram-baratra amin’ny faran’ny herinandro. Raha ny maripàna indray, hisy fiakarany kely ny maripana ambony raha ny eto afovoan-tany. Ny maripàna ambany kosa, eo anelanelan’ny 16 ka hatramin’ny 26°C raha ao anatin’ny 27 ka hatramin’ny 34°C ny maripàna ambony.

Hotanterahina any Panama ny “Andron’ny tanora maneran-tany”, ny 17 hatramin’ny 22 janoary izao. Efa tonga any an-toerana ireo tanora malagasy 12 hanotrona izany “Andron’ny tanora” izany. Nanomboka ny 14 janoary ka hatramin’ny 19 janoary kosa ny “Herinandron’ny tanora”, hatao any an-toerana ihany. 400 ireo tanora mandray anjara amin’izany. Ankoatra ny lamesa, nisy ny fifakalozana fahaiza-manao amin’ireo tanora avy amin’ny diosezy maro.

 

 

 

 

 

Les commentaires sont fermées.