Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ho lesona ny lesoka

Ho lesona ny lesoka

Tsy mbola vita ny fifidianana! Vao ny fifidianana filoham-pirenena iny vita iny. Efa zava-dehibe ny fahavitany, saingy misy ary maro ny lesoka tsapa. Efa Niaiky ny Ceni amin’ny tsy fahatomombanana teo amin’ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny fifidianana. Manome fotoana rahateo izy ireo ny 24 janoary izao, hanambarany ampahibemaso ireny lesoka ireny.
Mety hisy hisafoaka hoe hatao inona intsony izany? Ilaina ary tena ilaina tokoa ny fahafantarana ny lesoka, indrindra ho an’ny voakasika tamin’ny fanatontosana izany. Tsy basy atifi-tena, sanatria, fa ho lesona ho an’ny ho avy.
Sao varimbariana fa nahazo filohan’ny Repoblika voafidy ara-dalàna isika ka manadinodino fa tsy ho ela akory dia higadona ny fifidianana solombavambahoaka, arahin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Tsy ho tratra ny voalazan’ny lalàna kanefa na izany aza, akaiky ihany satria hotontosaina amin’ity taona ity avokoa ireo.
Fantatrao ve fa misokatra izao ny fanitsiana ny lisitry ny mpifidy? Fantatrao ve fa hikatona sahady izany ny 15 febroary izao? Raha tsia ny valiny, misy tokoa ny lesoka, indrindra eo amin’ny fampahafantarana ny manan-jo hifidy rehetra. Lesoka mbola azo arenina anatin’ny fotoana fohy anefa mba tsy hisian’ny menomenona sy ny alahelo avy amin’ny olom-pirenena very zo tsy fidiny…
Samy manatsoaka lesona ary mampihatra ny vahaolana malaky ny tsirairay. Ho antsika manan-jo sy te hifidy, aza miandry fanjakana sy tompon’andraikitra. Zontsika ny mandondona ny mpiasan’ny fokontany manitsy izay tsy mety.
Ho an’izay mbola resy lahatra ny hifidy anefa, satria tsy an-tery izany…

Zo ny Aina Randriatsiresy

Les commentaires sont fermées.