
Taona 2019, samy nilaza ny vina hatrehiny ny mpanamboatra zavamaneno malagasy. Iray amin’ireny ny mpandrafitra valiha. Handao tsy ho ela ny valiha ny fantsika, raha ny fanazavan-dry zareo. « Hosoloina « vis » izy ireny. Sady tsara endrika no vita haingana ny valiha raha mampiasa « vis ». Ankoatra ireo, mora kokoa ny mandrafitra valiha raha io akora io no ampiasaina. “Mahazo tombony ihany koa ny tompon’ilay valiha satria raha sanatria ka tapaka ny « corde », izy ihany dia mahavita manolo izany », hoy i Dédé, iray amin’ireo mpandrafitra valiha.
Nomarihiny fa tsy manova ny maha valiha ny valiha ny fampiasana « vis » fa vao mainka aza manatsara ny feony raha hain’ilay mpandrafitra (na mpanamboatra) valiha ny mifantina tsara ny karazana « vis » ampiasaina. Ho azy, « azo lazaina ho fivoarana ny fampiasana ity akora ity eo amin’ny tontolon’ny valiha malagasy ».
Marihina fa hoenti-manenjana ny tadim-baliha na « corde » ny fantsika. Samy misy azy io avokoa na ny tonony manakaiky ny loham-baliha na ny tonony manakaiky ny tongo-baliha.
HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.