Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hanamora ny fampindramam-bola: tafapetraka ny Birao fanangonam-baovao

Hanamora ny fampindramam-bola: tafapetraka ny Birao fanangonam-baovao

Nankatoavina, ny 15 febroary 2018, ny fametrahana ny Birao fanangonam-baovao momba ny findramam-bola na ny Bic (Bureau d’informations pour le crédit), koa nampahafantarin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Banky foiben’i Madagasikara, omaly teny Anosy, ny asan’izy io. Napetraka io Bic io hanamora ny fampindramam-bola eto amintsika hanampiana ny mpindrana sy ny mpampindrana.

Mbola sarotra ho an’ny maro anisa, orinasa na olon-tsotra, ny mindram-bola ka ny asan’io birao io ny manangom-baovao rehetra tsara ho fantatra ho an’izay te hindram-bola. Misy lafiny teknika betsaka momba izany ka hampitaina any amin’ny mpampindrana, mampahalala ny mombamomba ny te hindrana. Tanjona ny hampihena ny olana mety hitranga ka tsy hahafahana mamerim-bola. Fantarina, ohatra, raha momba ny orinasa iray ny fampiasany solika, ny lany amin’ny Jirama sy ny serasera, ny fitaovana fampiasa… Jerena avokoa ireny rehetra ireny hikajiana ny azo atao sy ny tsy azo tanterahina.

Nanamafy ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena, i Coralie Gevers, fa ho fanatsarana ny raharaha momba ny vola izao rafitra izao, toy ny efa misy any amin’ny firenena afrikanina hafa. Manampy betsaka amin’ny lafiny teknika ho ao anatin’ny rafitra ara-dalàna, tsy hampisy sakana amin’ny tsy fahafahana mamerim-bola. Manodidina ny 100 000 dolara ny vola ho an’izany fanangonam-baovao famantarana ny lafiny teknika izany ao amin’ny Bic.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.