
“Olana ho an’ny faritra Sofia ny faharatsian-dalana ahafahana mamoaka ireo vokatra mampalaza ny aty aminay. Tahaka izany koa ny lalam-barotra. Fanirian’ny vahoaka aty an-toerana, anisan’ny nanome vato ho an’ny filoha Rajoelina, ny famahana izany olana izany, indrindra fa ny hametrahana orinasa lehibe manodina vokatra sy hiteraka asa ho an’ny tanora”, hoy ny filohan’ny Fikambanan’ny zanak’i Mandritsara (Fizama), Andriambilomanana Alain Theodore. Notsiahiviny fa manankarena ny distrikan’i Mandritsara. Anisan’izany ny vokatra fanondrana toy ny kafe,ny lavanila, ny fary avadika ho siramamy gasy. Manana karazana vato ny any Mandritsara ary azo avadika ho fanaka sy hanaovana lalana. “Miteraka asa sy fampandrosoana ny faritra izany”, hoy ihany izy.
Riandrano azo trandrahina hahazoana herinaratra
Iandrandran’izy ireo vahaolana koa ny rano sy ny jiro satria manana riandrano maro ny any Mandritsara ary azo trandrahina hahazoana angovo mahavatsy ny faritra Sofia iray manontolo, ahitana ireo distrika fito mandrafitra azy. “Miandrandra fampandrosoana sy tosika avy amin’ny filoha Rajoelina izahay ary vonona hanolo-tanana amin’ny tetikasa sy ny vina IEM miaraka amin’ireo velirano nambarany”, hoy ihany izy.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.