Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Famindram-pitantanana eo anivon’ny fiangonana: hanana ny hambarany momba ny politika ny FFKM

Famindram-pitantanana eo anivon’ny fiangonana: hanana ny hambarany momba ny politika ny FFKM

Tsy azo ihodivirana ny fanambarana politika. Hotanterahina, ny alahady izao etsy amin’ny Ekar Andohalo, ny famindram-pitantanana eo amin’ny filoha mitarika ny FFKM. Handray izany, manomboka izao, ny filohan’ny FJKM, Andriamahazosoa Irako Ammi, raha ny filohan’ny fiangonana anglikanina (EEM), ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, ny nitantana  izany ho an’ny taona 2018 nivalona iny. Hitondra hafatra na fanambarana ny eo anivon’ny FFKM rehefa amin’ny herinandron’ny fiaraha-mivavaka tahaka izao. Ialohavan’ny filazana ny raharaha anatin’ny FFKM ny fotoana fa eo koa ny hafatrafatra, indrindra amin’izao nahavitan’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny nahavoafidy ny filoha Rajoelina hitantana ny firenena izao. Hanana ny hambarany ny fiangonana.

Hitandro hatrany ny fahamarinana

Tsiahivina fa anisan’ny nivoitra tamin’ny hafatry ny FFKM tamin’ny komity foibe faha-41, natao tany Tsiroanomandidy ny volana novambra teo, ny tsy tokony hifampihantsian’ny kandidà sy ny mpomba azy roa tonta. Teo koa anefa ny fampahatsiahivana ny fotokevi-dehibe ijoroan’ny FFKM manoloana ny raharaham-pirenena. “Aoka hiaina sy handala hatrany ny fibebahana, ny fieken-keloka, ny fihavanana ary ny fahamarinana. Aoka hijoro sy hitandro hatrany ny fahamarinana”, hoy ny FFKM.

Fitsipahana marindrano ny fivadian’ny lahy samy lahy…

Anisan’ny fanapahan-kevitra noraisina ny tokony hiainana ny fampiraisam-pinoana. Eo koa ny fandrarana ny fivadian’ny mitovy fitaovam-pananahana. Manampy ireo ny hamoahan’ny FFKM gazety.

Araka izany, tombanana fa hafonja ny hafatry ny fiangonana amin’ity indray mandeha ity amin’izao fiovan’ny tantaran’ny firenena izao.

Synèse R. 

 

Les commentaires sont fermées.