Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Atsimo Andrefana: ho fiarovana ny sokatra ny Dinabe

Atsimo Andrefana: ho fiarovana ny sokatra ny Dinabe

Ampy izay ny fidirana na fanelanelanana ataon’ireo tompon’andraikitra ambony, ny depiote, ny minisitra, na ny olona manana andraikitra ambony hafa, momba ny fanondranana sokatra. Nandray fepetra ny faritra Atsimo Andrefana amin’ny fampiharana ny Dinabe ka tafiditra amin’izany ny fiarovana ny sokatra. Nitety ny kaominina rehetra misy sokatra any amin’ny faritra ireo namolavola ny Dinabe, nanentana ny mponina sy ny ben’ny Tanàna hiaro izany harem-pirenena izany, atahorana ho lany tamingana raha mbola mitohy izao fanondranana na fihinanana sokatra izao.

Fepetra anatiny ny iombonan’ny faritra ny Dinabe satria tsy matoky intsony ny olom-panjakana ambony sy ny fitsarana ireo sarotiny amin’ny fiarovana ny sokatra any Atsimo Andrefana. Maro izay vaovao nitranga momba ny sokatra tratra izay, ankoatra ireo tsy tratra, tamin’ny taona 2018. Na misy aza ireo voasazy nampidirina am-ponja, betsaka koa ny afa-maina. Ny volana avrily ny nahatratrarana be indrindra, 10 000 eo ho eo; ny volana oktobra, 7 347 ny tany Tongobory. Araka ny fanadihadiana nataon’ny WWF, efa tambajotra matanjaka ny nanangona ireo sokatra ireo miaraka amin’ny fitoerany tsara voatra. Kolikoly goavana no ao ambadika matoa tonga amin’izany.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.